tsy raharahanay izay 5 sy 4- taona
fa ny vola be aferany mandritra ny 20 androm-pifidianana iny
izay ihany ny anay ny anay ........e
tsy raharahanay izay soritr’asa sy safidy
izay manko no mibaiko anay
ny tsy mandry fotsy aloha izahay
tsy raharahanay izay firaisam-pirenena
fitondràna ifandimbiasana
fa ny iray foko fihaviana
aminay ny anay ny anay ....
4. io ary izy ny an’ialahy fa lany fa lany...
tokana ihany e ny tanjona @ izany ...
dingana voalohany hamerina ny lany ...
dingana faharoa hihinana ihany e...
dingana farany e hifikitra hatrany e....
soa ialahy mbola mihinana angano e..
ka ny firenena jiaby mantsina
mantsina maimbo masiso malàny...
tsy raharahanay na mpamono olona
fa ny vola omeny ny akamany misava vato
eny antokotanim-pifidianana
iny ihany ny anay ,ny anay ...
tsy raharahanay izay candidatn’ialahy
nefa tsy mizara akory na dia ariary
tsy raharahanay izay ho avin’ny taranaka
fa izay lazaindry mon pére sy ry pasitera sy ry masera
fa kandidà mivavaka sy mpiray finoana aminao
izay ihany ny anay ny anay ....
8. io ary izy ny an’ialahy fa lany fa lany ...
tokana ihany e ny tanjona @ izany..
dingana voalohany hamerina ny lany..
dingana faha 2 hihinana ihany .....
dingana farany e hifikitra hatrany e...
soa ialahy mbola mihinana anganao e...
ka itsika jiaby masiso maimbo masiso malàny...
zom-pirenena noho ialahy dia mantsina masiso malàny malàny...
tsy manan-kasina intsony noho ialahy malàny malàny....