vadin-dramamanareo ra- zandary o
sipan-droky fahiny marasily
dadabenareo aza penitansiera retirety
dadatoanareo polisy amperin’asa
nenifaranareo avocat jeneraly
dadafaranareo prezida tiribinaly
sasantsasany aminareo DGID
ny anakavin-dreninareo police secret
saika hampiakatra androky aho t@ volana ho avy iny
ahemotra indray ankehitriny o
mararirary ery ny aiko mieritreritra
fa ahemotra indray ilay raharaha o
2. efa mbà nitady asa ihany anie aho e
teny @ INSPECTION DE TRAVAIL
nanantona ny tranombarotra ROSO ,COTONA, SOTEMA ,BATA ,COROI ,SEVIMA, JIRAMA ,SOLIMA ,SINPA tsy nisy nandray ahy SOCIMEX , SOREX
zay rehetra tao aza voaroaka daholo
saika hampiakatra androky aho t@ volana ambony
ahemotra indray ilay raharaha o
mararirary ery ny aiko mieritreritra fa ahemotra indray ilay raharaha o
3. dia voatery hiverina @ asako taloha aza aho
hivarotra toaka gasy aho Soary
hanao livraison na rongony
hivarotra paraky gasy aho Soary
ny atahorako mafy dia ity dia ity satria satria
sao trano tsy mifàfa ohatrohatra
na vilia tsy voasasa tahak’izany
asambehivavy tsotra izao ra Soary
dia asainao ataoko ataoko foana
raha manda sy mamaly aho Soary
dia atoronao dadanareo bodega
izao adiady madinidika ao an-trano andeha hidiran’angano
sarotsarotra ny miaina ao ANKAZONDRANO
mararirary ery ny aiko mieritreritra fa ahemotra indray ilay raharaha o
ny aiko e marary marary e