Ka na avy aza rivotra, rika
Handrava azy io tsy ho rava
Fa hijôro satria nihorimpaka
1. ô aza mety, aza mety e!
Ho rebirebena syrabirabin’ireo ‘zay tsy mino.
Ifatoy ny finoana hifikiro fa tsara tokoa re ny tompo
Aoka tsy ampirafesina amin’ny sampy izay tsy mahavonjy
Fa jesosy no tokana hany mpamonjy ka ndao ho tompoina e!
Ka na avy aza rivotra, rika
Handrava azy io tsy ho rava
Fa hijôro satria nihorimpaka
2. ô aza mety, aza mety e!
Aza mety ho avilin’ny belisaboba sy ilay losifera
Saintsaino, saintsaino e!
Amin’ny zavatra tsy mahasoa izay mamotika sady manimba
Taritin’ny namana dia lasa mba manandrakandrana
Saintsaino, saintsaino e!
Fa pozina mahery vaika izy reny mahalatsaka andavaka
Ka na avy aza rivotra, rika
Handrava azy io tsy ho rava
Fa hijôro satria nihorimpaka
Ka na avy aza rivotra, rika
Handrava azy io tsy ho rava.
(Na ny rivotra tsy harava azy e!)
Ka na avy aza rivotra, rika
Handrava azy io tsy ho rava.
(Na ny asan'ny maizina aza e!)
Ka na avy aza rivotra, rika
Handrava azy io tsy ho rava
Fa hijôro satria nihorimpaka
A/C: Tina RAZAFINJATO sy RAZAFINDRAOELINJATO