1. Tsy miankina amin'izay harena ananako
Na talenta, fahefana, hery am-pelatanako
'Zay ho voninahitro,fa ny Ra nalatsakao
Ka tsy mba reherehako ny haren'ny tany mora lo
2. 'Zay hitiavako Anao,Jesosy Kristy Tompoko
Dia Ianao no efa tia ahytalohan'ny nitiavako
Ka ho reharehako ny Hazo Fijalianao
Kristy ô! Ianao tokoa,Ianao no Voninahitro
Tsy mba volafotsy na koa volamena fa ny Ra
Ny Ran'i Jesosy Kristy,Ain'Andriamanitra mahery
Io no nividianana ahy, nanaraka ,hamonjena ahy
Mba hanana fiainam- baovao ity mpaniasia
3. Izay mamiko tokoa ka ampy ahasambatra ahy
Dia ny fo anatiko ao, hitoeranao, ô ry Fanahy
Ain'Andriamanitra, heriny ihany koa
Ka tsy mba hasambarako ny an'ny nofo mora lo
Tsy mba volafotsy na koa volamena fa ny Fanahy
Tsy izay zavatra mety ho lo, fa ny Fanahin'Ilay Tsitoha
Izy no nalatsaka, hanangana ahy,hamonjena ahy
Mba hanana fiainam- baovao 'ty mpaniasia