Holazaiko anao am-panajana
Hotantaraiko anao ny ato ampoko
Fa tsy olonkafa indray no ho antsoiko
Ny fiarahantsika tao tsy nazava
Samy naka fafiny naka ho azy
Tsy nifampitory ny hoe hiaradia
Dia nalainao ny toerana ao
Tsy niera akory hoe iza ny ao?
Sendra ny olonkafa ka niova loko
Izao anie malala malalan-tsaina
Malalaka fijery sy fomba fiaina
Tsy mangataka aho fa manome
Maika loatra ianao ny hamatotra ahy
Mety ho irery ianao ka mba mila ahy
Azoko an-tsaina, izay tianao
Ny fijerinao ny ho avinao
Izao anefa akia toa tsy mazoto
Sady tsy hifangaro no tsy handoto
Aleoko irery foana, irery ihany
Miha mahafantatra ny eto an-tany
'Ndao isika roa mba hiova toetra
Mifanosika eny tsy miraikimpo
Fa ny lalanao tsy ho tapitra eto
Zay ho vitantsika faranana eto
Ny ahy kosa, tohizako ihany
Tsisy ahasakana ahy tsy andeha ho any