Nisy niantso hono aho teny an-dalam-be
Izay lay nofiko mba nahagaga ahy
Vehivavy iray tsaratarehy
Niantso ahy, nanoroka ahy
Lasa niova anefa ilay tantara
Lasa tany an-trano indray izahay roa
Nisangisangy teny am-parafara
Nahatsiaro sambatra tokoa
Nafana loatra ilay fiftia
Te hiara-dia, te ho doria
Samy nahatanty, samy niafy
Tsy vitan'ny hoe teny am-pandriana ihany
Fa nirenireny teny ho eny
Toa fitiavana avy hatrany
Izy mantsy no ilay tena izy
'Zay no lasa tao an-tsaiko tao
Izy no anaovana ny ankizy
Sy zay rehetra mety hatao
Nahatsiaro sambatra tokoa
Nafana loatra ilay fiftia
Te hiara-dia, te ho doria
Samy nahatanty, samy nihafy
Nony tonga anefa ny maraina
Vizambizana nakanaka saina
Kay ka nofinofy ihany yeah!
Nahatsiaro sambatra tokoa
Samy nahatanty, samy niafy