tany izahay, naka hery ho anay
any mantsy le, malaza maro raha
tsy hitanao fe, herin’ny fanahy
dia mbola tany, azonao aleha
tany ho anao, feno ny hadalana
angalanao, izany fahalalana
any kosa, ny fakam-panahy
dia miavosa, nefa tsy manahy
soa hohaintsika, ny mpamaraky,
maro mahay fika, hitondrana anao
O o o tsioka avy any atsimo any
miakatra any fa tsy ho lany
kay tsiok’atimo, bona malilo
zahay niainga teto, ary mbola hiverina eto
ho eto indray, haka ’lay fofon-tany
fa tsy hainay, ny hanadino izany
ny indro kely moa, mety tsy ho eto foana
ho avy any aloha, raha misy ’lay fotoana
ho tonga indray, hitondra ny hafanàna
ny alizay, ho tonga eto @ tanàna
o o o tsioka avy any atsimo any
miakatra any fa tsy ho lany
kay tsik’atimo, bona malilo
Tsioka avy any atsimo any
miakatra any dia hisy hatrany
sa ’zay aleha dia mampihomehy