Satriko averina ny fotoana
Nefa toa tsy haiko hoe : atao ahoana ?
Fa toa manery ao anatiko ao
Ireo izay enta-mavesatrao
Hibitsika mangina hoe : tiako ianao
Fa hiara-dalana isika roa
Raha fantatro tany ampiandohana
Ho tetezintsika roa ireo fotoana na mangidy io na mamy e !
Tsy avelatsika roa hisy iray minitra io na iray segondra ho lany e !
Ireo mpanenjika odintsika jamba
Izay mila ady eo ataontsika atamba e !
Ka na inona na inona hitranga
Ny lanitra ho lokointsika manga e !
Asa raha mba tsaronao io ve ?
Ilay kilalao fanao taloha
Na mbola zaza àry isika roa
Dia efa mpivady e vady e !
Asa raha mba tadidinao ve ?
Fa hiara-dalana isika roa
Raha fantatro tany ampiandohana
Ho tetezintsika roa ireo fotoana na mangidy io na mamy e !
Tsy avelatsika roa hisy iray minitra io na iray segondra ho lany e !
Ireo mpanenjika odintsika jamba
Izay mila ady eo ataontsika atamba e !
Ka na inona na inona hitranga
Ny lanitra ho lokointsika manga e !