Efa tonga taona ka ahoana lazao
Tsy mety ve raha mitady namana
Mba hanan-taranaka, ianao anaka
Sady izahay fantatrao tsara
Fa efa osa ka sao tonga ny anjara
Ka tsy hahita izay ho vinanto
Izay inoana fa ho kanto, fa kanto.
Izaho tsy mbola nisaintsaina
Ny marina dia mbola malaina
Avelao aho aloha ho mpitovo
Izay tena tsara indrindra
Tsara rafitra sy tena narindra indrindra
Mba halain’ialahy mba tandremo kely
Sao koa dia vazaha, tandremo lahy
Raha milaza izany mba nisaina koa
Ilay tsara sy tena bikana
Izay eto an-tanàna, an-tanàna
Izaho aloha tsy mbola nahita
Izay mendrika tsy tsara indrindra
Raha ny zazavavy eto an-tanàna
Ka izao re ry dada no izy
Avelao aloha aho hisafidy
Izay mba andrianin’ny foko
Izay inoako fa tsy hitondra toloko
Ialahy ve mivatik’atidoha
Tsy mahalala ny soa izay vitanay
Fa tsy misy tsara eto an-tanàna
Nefa betsaka eto no igagana
Izaho anie tsy mandà izany
Malama maina anie ny tany
Avelao aloha aho haka saina
Ny valiny rahampitso maraina
Izay hevitra tapako avy eo
Aoka anie tsy horaisinareo
Na koa faniratsirana anareo
Efa tonga taona ka ahoana lazao
Tsy mety ve raha mitady namana