Raha misy ny zavatra tsy mandeha
Tsy ny ankizy no diso fa ianao lehibe
Raha misy ireo no mangalangalatra
Ianao no nataony mba ho fitaratra
Ka zaro amin’ny làlana tena izy ny ankizy
Mba tsy hiangona aminao ny tsiny
Raha misy ankizy miteny ratsy
Ianao lehibe no nampiana-dratsy
Matoa izy janga sy matinkambo
Izay zay tahafiny no lavarambo
Raha misy ankizy be mokondoha
Ianao tsy nanoro ny tena soa
Raha misy izy ireo no tsy mahay mivavaka
Ianao zay tahafiny no kilavaka
Ka zaro amin’ny làlana tena izy ny ankizy
Mba tsy hiangona aminao ny tsiny
Raha misy ny ankizy no ratsy toetra
Torohevitrao mitoredretra
Raha misy izy ireo no tonga jiolahy
Fitondran-tenanao no mivahavaha
Raha misy ny ankizy tsy mahay
Raha misy izy ireo no miady lava
Ianao no tena tafondro vava
Ka zaro amin’ny làlana tena izy ny ankizy
Mba tsy hiangona aminao ny tsiny