Nandeha isika, nentin'ny ditra
Jamba tokoa no tafara-dia
Tsy nahita lalana fa samy tia
Nisaina ho velon'ny rano sy fitia
No niandoha ilay Fitiavana
Hatrany Ihosy io rahavana
Nahavatra ningitrim-pianarana
Ilay faritra mena aza nitsahina
Minouche aaaa, minouche aaaa, hono hoy aho?
Moa ve nisy hakony any am-ponao?
Minouche aaaa, minouche aiza ianao?
Ny ahy mbola tadidiko, fa asa ny anao
Mandady aza amin'ny alina
Ka loza fa tara ilay zavatra
Ny handositra no vahaolana mba takatra
Namisavisa izay tokony ho atao
Naniry ny mbola hianatra ianao
Nefa ilay menaky ny aina efa tao
Minouche aaaa, minouche aaaa, hono hoy aho?
Moa ve nisy hakony any am-ponao?
Minouche aaaa, minouche aiza ianao?
Ny ahy mbola tadidiko, fa asa ny anao
Fa hoe tsy maintsy halàna
Ianao ilay tsy ampy taona, natahorako
Nataon-dreninao izay handehanako
Ka t'Andranohira aho no nitodidoha
Niditra ho ekipan-drÿ Rabenamboa
Hafatra sisa reko nandeha
Sendra mpiara miasa aho, tany Antampon'Ihorombe
Veloma hoy ny antsoiny dia, bisou be dia be
Minouche aaaa, minouche aaaa, hono hoy aho?
Moa ve nisy hakony any am-ponao?
Minouche aaaa, minouche aiza ianao
Ny ahy mbola tadidiko, fa asa ny anao.
Fb: m.facebook.com/michael.rasolofomalala (mika)