Moa ve,ireo vovoka niaraha-nilalao ka nanditsoka
mbola afaka hamela vetso na ritsoka?
Hoenti-mahatsiahy ny fahizay
Noheverintsika fa tsy ho lany
Fa asa kosa,asa lahy ianao
raha nahatsapa fa hafa ihany
Ref: Ny efonefona kelinao
Raha nofohiniko teto an-tratra
Izaho koa nahatsiaro naratra
Ny lanjam-pitia toa ampy fatra
Moa ve,ireo ditraditra fanao miafinafina
Mbola azo tsinjovina etoana raha tarafina?
Sa teo am-bava ireny ka nofy
Toa mbola henoko ilay feonao
mibitsika hoe:"tiako raha ho anjara ianao".
fa ny lahatra tsy an-teritery
Raha ny hazo tokoa no nitohy
Nahatody ambony dia ambony.
Ref: Tsaroako ilay tomaninao
Indray andro izay raha vao nihaona.
NY TONTOLO NO INDRAY NISAONA
Tapaka ilay nofy mamy dia mamy
Tsy nisy toy izany ,ô ô ô.
Hatrizay ka hatramin’izao
Dia tsy nety hita intsony e
Dia tsy hita intsony,dia tsy hita intsony ianao