Betsaka no nandalo fa ianao Hafa ihany
Rehefa anilanao za ohatran'ny tsyy eto an-tany
Mbola tsy niova fa ohatran'ny omaly
Tsisy hafa tsy ianao ihany no mahay azy
Hoe Za Tia Anao , Za Mila anao
Malala enao aza miahiahy , fa iha raika avao dia efa ampy anahy
Tsy ho vofafa ato am-poko oa ilay Daty iray
Nekeko iarahana aminao hoe ho Mandrakizay
Fa ny anah Fitia mandoro ato anaty
Ka na iza handrava , na iza ampiady
Efa-taona tsy avela ho loa sy ho lao
REF: Malalako ianaooo (*4)
Fa iha raika avao dia ampy anahy !!!
Ny fotoana mandeha mafy fa tsy mora
Tsy hitahita akory ny fikisakin'ny ora
Rehefa za tantananao , rehefa za fihininao an-tratranao
Ny alina aho mikipy manonofy anao
Mitarika ny tanako hoe andao , andao
Za ho ampiakarinao ambonin'ny alitara
Na tsy izaho ilay tena Tsara
Hitia anao aho na tsy voaloham-pitiavanao
Malala ianao aza miahiahy , fa iha raika avao dia efa ampy anahy
Tsy ho vofafa ato am-poko oa ilay Daty iray
Nekeko iarahana aminao hoe ho Mandrakizay
Fa ny anah Fitia mandoro ato anaty
Ka na iza handrava , na iza ampiady
Efa-taona tsy avela ho loa sy ho lao
Fa Iha raika avao , Iha Raika avao
Fa iha Raika avao dia efa ampy anahy
Hmmmm , " MALALAKO IANAO "
Nampiditra Hira : Mickaell HR