1.Tadidinao ve? Ianao io taloha,
“’Zaho hamaly ’ndray, dia handeha hitory ’zahay.
Vao manahy, dia hivavaka aho!”
Kanefa izao tsy mora intsony, ianao tsy tony;
Na dia ny hilaza izay inoanao toa tsy ho vitanao akory.
F’ianao ange mino hoe: Io ’nie no lalana haleha.
Jehovah izao miandry anao,
Be ny azonao atao, ’zao tanora izao;
Ny hahasambatra anao no iriny, ianao hampiany.
2.’Zay sendra anao koa mitady hitaona foana.
Ny fitsapana tsy mety lany.
Mampanahy koa: Ny hoavy hanahoana?
Ho aiza ihany ’zany fiainanao ’zany?
Jehovah no iresaho, zarao ’zay rehetra ao am-ponao.
’Zay afoinao ho azy tsy very maina izany!
Koa ampiasao ho an’ny Rainao ’zao herinao ’zao,
Dia ho hitanao any aoriana any
Be ny azonao atao, ’zao tanora izao;
Ny hahasambatra anao no iriny, ianao hampiany.
Safidy io ka handroso ianao sa…?
Saintsaino sy diniho, fa tsy hanenenanao io.
Be ny azonao atao, ’zao tanora izao;
Ny hahasambatra anao no iriny, ianao hampiany.
Diniho ange f’efa be dia be
No mba hoatr’anay koa, dia sambatra ary afa-po.
Safidy io ka handroso ianao sa…?
Saintsaino sy diniho fa tsy hanenenanao io.