1.’Zany hatsarana, tsy hay lazaina.
Tsy haiko hotanisaina ’zay nomenao, mahafa-po,
Nefa ny tsara indrindra: Ny fitiavanao tsy manam-paharoa.
Ny foko hihira ary hisaotra anao,
Raha fifaliana tsisy hoatr’izao,
Falifaly foana, falifaly foana.
Falifaly foana, falifaly foana!
Mahatsiaro ho tena tiana.
Fianakaviana iray, tsy mifanary na dia esoina.
Na hisy hanenjika aza, fifaliana anaty tsy azo vonoina.
Ny foko hihira ary hisaotra anao,
Raha fifaliana tsisy hoatr’izao,
Falifaly foana, falifaly foana.
Falifaly foana, falifaly foana!
Ho vaovao indray ny tany, ny sento ho lasa tsiky.
Kristy mantsy efa nijaly, dia voavonjy isika.
Ny foko hihira ary hisaotra anao,
Raha fifaliana tsisy hoatr’izao,
Falifaly foana, falifaly foana!
Falifaly foana, falifaly foana!
Falifaly foana, falifaly foana!
Falifaly foana, falifaly foana!
Falifaly foana, falifaly foana!
Falifaly foana, falifaly foana!