1. Ny asa tananao tena nokalina,
Endrey ny hatsarany! Fa kanto, mahasondriana.
Simba izao ny tany, fa tsy miova ianao.
Maharitra miandry, hanova azy ho vaovao.
Ray ô, tsy andrinay ’zay paradisa izay,
Mba ampio ’zahay hahay hiandry.
Fa ho toy ny masoandro miposaka isan’andro,
’Lay andronao ho avy ihany,
2. Mba rahoviana ihany ilay andro iray
Hiantsoanao ny maty, dia ireo maminay?
Hainay f’ianao koa manina azy ireo,
Ampio ’zahay hiandry, ny fonay re toneo.
Ray ô, tsy andrinay ’zay paradisa izay,
Mba ampio ’zahay hahay hiandry.
Fa ho toy ny masoandro miposaka isan’andro,
’Lay andronao ho avy ihany,
3. Dia hatramin’izao, mbola taominao
’Zay kivy any ho any, mangetaheta anao.
Ilay vaovao tsara hotorinay koa,
’Zahay tsy ho variana, ho akaiky anao kokoa.
Ray ô, tsy andrinay ’zay paradisa izay,
Mba ampio ’zahay hahay hiandry.
Fa ho toy ny masoandro miposaka isan’andro,
’Lay andronao ho avy ihany,
Ray ô, ampio ’zahay mba hiandry!
(Hira Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2023)