1. Tiako ny firafitra tanàna vita kindrindriana
F'izay todihina rehetra mahavariana
Hatramin'ny rendrarendra avy no ara-bika sy talenta
Asongadina ho lafatra an-tseho avo lenta e
Tiako ny fijoalan-tranobe mitory fandrosoana
Ny vezivezim-piara tsisy fiatoana
Hatramin'ny alina ravahin'ireo jiro manjopiaka
Toy ny nofy izany hoe miaina aty am-pita
Na dia meva sy sariaka aza izay tandrifin'ny maso
Ny embona mamelovelo am-po tsy miato
Na manahoana ny hakanton'izay niainana eto izay
Mbola hafa tena hafa hoaho ny any aminay e
Na hila handresy lahatra izay jerena; tsy hay ekena
Fa ilay fitiavana ao am-po tsy mety mihena
An'ilay tany nihaviana mainka koa mivaivay fa tiako tena tiako akia ny any aminay
Na dia tsotra sy mahantra aza tsy hay soloina
Na aiza na aiza aleha tsy hay hadinoina
Fa manjohy fanahy ny hanina azy rehefa injay manakoako an-kira hoaho ny any aminay
Nosy maintso mavana ilay lova avy amin'ny Ray
Tsy atakalo ny hafa, tsy mba lefy am-po mandrakizay
Fa mbola hafa akia ny any aminay
2. Tiako ny mahita irony ankizy faly, tia misangy
Rehefa andro fety anaty ranomandry
Tiako ny mamangy ireo tahirin'ny ela sy tantara
Sarobidy fa voahaja sy voakolo tsara e
Na anivon'ny mamiratra aza rehareha sy vatsy
Ny hasin'ilay hambom-po maha malagasy
Eo no mbola maha ambony ilay soatoavinay
Izay mitaiza ny fanahy any aminay