Na tebahina izy ka ho fosaina fa mavomavo
Na dia tsy mahalala fomba fa lazaina ho tanavo,
Na tsy misy fotony aza f’olon-tsy ahoan-tsy ahoana
Na mahantra anie io na zefa sady bokona kely
Tsy mampiova ny fitiavako azy koa velively
Na tsy manan-ko atokona fa olona ambany
Na mitrongy izy vao homana na tsizarizary
Na dia ratsiratsy akanjo sady be malabary
Tsy atakaloko ny hafa f’isam-pianakaviako
Na akoraina f’olon-dresy na koa hoe mpitsok’ovy
Tsy maninona f’ekena saingy izao no tsaroVy
Adalako iny angamba tsy mba manan-tsaranga
Tano ny anareo manjamanja
Ny ahy mety ho vangavanga
Ny ahy lehiretsy tsy foiko
Na hanaovana ny farahehy sy ny fanalan’andro
Na lazaina fa tsy manana ampy koa raha miakanjo
Fa tambanivohi dahy no sady mafimafy ady
Na dia tsy olo manandaza, tsy mahay taratasy
Kapa fingotra no ananany, izy mihinanm-paraky
Tsy afa-miaingitra amin’izay lamaody fantatra farany
Valala fiandry fasana izy no sady mpiandry tanana
Tsy mba mana-petrabola na tambazan-karama
Izay vokatra any an-tsaha no mba zarainy aminay
Tsy izy anie no hizahozaho aminareo mahery
Sanatria tsy hieboebo hisehoseho velively
Fa mitoka monina eny, miondrika izy fa ambany
Tano ny anareo etc.. etc...