Toa anao izao koa anie aho
Mba leon’ny fiainana koa aho indraindray
Toa anao izao koa anie aho
Nanankim-po tamin’ny sitrany ahay
Mbetika sorena aho dia mba milalao
Faly aho rehefa mety ny atao.
Toa anao ihany koa manana hambom-po
Toa anao izao koa anie aho
Nitsiky ivelany nefa tomany
Toa anao izao koa anie aho
Na reraka aza dia miezaka ihany
Nizaka ratra koa aho impiry
Nivoajamoala sy nangirifiry
Toa anao ihany koa nanana hambom-po
Fiv: Toa anao tsisy hafa tokoa aho
Kamboty niady aho ny mba ho tafita
Nanao izay rehetra azoko atao e
Izay fara-heriko tokony ho vita
Tsisy hafa mihintsy aminao e
Mba nitia aho kanefa nariany
Nanante-tsy nisy aho, niantso vonjy indrisy aho
Toa anao izao koa anie aho
Nanofinofy aho satria mba tanora
Mba naniry ny fiainana mora
Nanao an-dolom-po aho mazana
Nitroatra aza satria tsy voatana
Avy eo anefa aho nanenina indray