Njay henoko ny antsonao naniraka ahy
Kanefa malemy aho fa nofo aman-drà
Tsy mendrika hanatrika Anao.
Toroy, ampianaro ahy ny sitrapoNao
Raha tojo ireo fakam-panahy
Ny Teninao no aoka ho fiarovana ho ahy
Na ho avy aza ireny tafiotra
Izaho ho eo an-tananao ihany
Ny rivo-mahery hangina tsy hiteny
F'Ianao no hampitony azy ireny.
Hanenjika ahy ny fahavalo
Ny finoako anefa no ampinga entiko
Tsy handao ahy ilay Tompo Tsitoha
Fantatro ety fa tsy ho mandrakizay
Fa mbola ho rava sy ho lò
Ny làlako anefa efa fantatro ihany
Tsy ho mora fa ho sarotra
Tsy manahy, tsy ho kivy aho
Ny hoaviko eo an-tànaNao.
Ampy ahy mihoatra aza angamba
Lay fiainako an-danitra ao
Fiadanantsoa tena ho sambatra aho
Tena iriko aoka re mba ho tony
Ilay toerako ao an-dapaNao