Raha sendra nandalo toerana iray aho
Kanjo nisy zavatra niseho
Tampoka teo aho tsy nahaloa-peo
Nibaliaka ny manodidina ahy
Avy eo aho noentin'ny Ray
Tany amin'ny fiainana mandrakizay.
Tonga soa teo amin'ny vavahadin'ny lanitra aho
Tsy nanenenako 'reo fanompoana Anao
Fa nitondra zava-tsoa teo amin'ny fiainako ry Ray Tsitoha
Ka dia faly aho manana Anao
Na dia teo ireo fahotana vitako taminao
Ka dieny izao faingàna ianao
Fa mbola misy toerana anjaranao,
Aza variana mangataka andro eo foana
F'Izy efa nitahy anao hatramin'izay
Ka tsy tokony ho kivy amin'izay atao,
Noho ny halehiben'ny fitiavaNao,
Fa raha tsy teo Ianao tsy toy izao izahay
Fa nentiNao tany am-paradisa, fiainana mandrakizay
Tonga soa teo amin'ny vavahadin'ny lanitra aho
Tsy nanenenako 'reo fanompoana Anao
Fa nitondra zava-tsoa teo amin'ny fiainako ry Ray Tsitoha, ireo.