Fantatro ianao fa malahelo
Nefa hoy aho, hoy aho mangina
Moa tsy fantatrao fa efa nihaona ny ankason'ity tany
Eny henoko ianao fa nofinitaka malala
Avelao izay tsy tia raha te hisitaka hiala
Hovay ho vy, saina nitia, ranomaria
Nokakerin’ny amboakely tiana
Any ianao O! fa very fanahy
Aleo ny eritreritra no ariana
Efa nataonao izay rehetra azonao natao
Ilay fitia izay noheverina ho doria nankaiza izao
Nefa hoy aho, mba tianao, ny saina hatanjao
Fantatro ianao fa malahelo
Nefa hoy aho, hoy aho mangina
Moa tsy fantatrao fa efa nihaona ny ankason'ity tany
Raha fitia no nandratrana anao
Nokakerin’ny amboakely tiana
Any ianao O! fa very fanahy
Aleo ny eritreritra no ariana
Ô! Mitrakà fa lehilahy...
Ô! Mitrakà fa lehilahy...
Interprètes : Vola sy Noro A/C : Paul DASON