Izany fahatsiarovana izany
Fa ranomaisina iny, he mangeniheny
Ny saiko lasan’iny, sadaikatra hiteny
Mahita itony pejy sy ny anaranao
Voasoratra ao, sy ao am-poko ao
Nandoro nahamay ny masoandrontsika
Nifanjo ho iray ny diatongontsika
Ny sisa izay tavela mieloelo ao
Akon’hira ela hatrao anatiko ao.
Tsiaro mifangaro, zava-maromaro
Izany fahatsiarovana izany
Fa tany karankaina, no manoloana eto
Voary savolaina torovandrovan-tsento
Ny manodidina ahy voajeriko avokoa
Mitady ny fanahy niainana taloha.
Hitako ao ihany ilay hazo mamintsika
Voasoratr’amin’izany ireo anarantsika
Miverina mangina ao an-tsofiko ao
Ny tafam-pifaliana avy eo imolotrao
Tsiaro mifangaro, zava-maromaro
Fa tany karankaina, ny manoloana eto