Andro maraina vao mangiran-dratsy
Ao anatin’ny baka fanariam-pako
Io zandry kely mitsindroka vary
Ny fiara mandalo no reny manako
Dia fahafinaretany tsy hainy hazavaina
Fa mbola tsy nitapaka akory
Dia indro fa nitranga sahady
Tsy laitra hiafenana intsony
Indrisy anefa mbola tsy azo
Vita hatreo ny tohan’aina
Kibo tsy feno, tsy vady manohana
Fantatrareo fa tsinay tsy mba vatsy
Tsy ampy hery hifampitolomana
Very fihinanana mangasihasy
Ireo be sandry no tompon’ny laka
Mandrombaka hatrany ny anjara-karama
Lasany jiaby ny miambina fiara
Sy ny porter ny entam-be ny Madama
Fa tonga mantsy Ingahy be masoandro
Dia ho avy koa ilay fiara
Handroaka an’ity zaoridira
Mangalatra letsy no ratsy
Fa anio atoandro aho tsipazo tapa-mofo
Handraseko an’i ngahy be masoandro
Masoandro be mitondra hafanana
Fifaliana ho anao manam-bary
Mifanjevo amin’ny ady mosary
Lasa ê tsy mahatsiaro ny lasa
Izy ê tsy nifidy ny ho eny
Ianao mba niangaran’ny vintana
Ka toy ny kintana an-danitra
Jereo fa raha sendra mandalo
Tsy hoe fahavalo fa akama
Ity fitafiana an-koditro ity
Tsy hary mbola nisolo hatrin’ny ela
Ka iza marina ary no diso
Miady seza mandrava tanàna
Mirongatra ny afera masiso