Mila tsy ho andriko ny Asabotsy
Mba hamonjeko ny anilanao
Na efa vizana avy any an-tsekoly
Dia samy sambatra ery tafahoana
Samy sondriana nifanafosafo
’Reo tebiteby aza nanjary foana
Ao ireo be fihaingo manintona maso
Toa miantso fitiavana antsokosoko
Izy tsy nahomby ka nanao ankaso
Kanefa ianao no toa tsy mba foiko
Mamy dia mamy ny anilanao
Ka tena mangidy rehefa hifandao
Isika anie mbola tsy hahavita tena
Fa samy eo anilan’i Dada sy Neny
Indreny isika malaina hifandao
Satry hifampiondakondana eo foana
Tsy misy mamy toy ny anilanao
Nafanafana ny fitiavantsika
Ka tsy tsaroana ny andro hariva
I Neny sy Dada izay samy masiaka
Izy ireo no mananatra antsika hatrany
Toa tsy nahatsapa ny herin’ny fitia
Tsy inona anefa no anton’izany
Fa mbola fitiavany antsika sy indry