Tsiky nafeninao fa tsy tana
Voabedy lava aho any am-piasana
Mila ho voaroaka aza aho indraindray
Tsy dia mazava ny anton’izany
Sarotra koa ny ’ndeha hanontany
Ny asanao heno mantsy sesilany
Fa mpitan-tsoratr’i ngahy Tale
Sady mahay no tsara tarehy
Mbola tanora loatra indry
Fiteny miangola misy amin-dry
Toa voajanahary mahalasa ny fisainako
Andro aman’alina ilay tsikitsikinao
Tsiky nafeninao ka tsy tana
Rahoviana ihany vao hisy fotoana
Hahazoantsika irery mihaona
Tsy hisy olon-kafa intsony
Indray takariva aho sendra avy niasa
Ny olon-drehetra efa samy lasa
Izaho niandry andry teo ampitan’ny arabe
Io ingahy Tale fa namonjy ny fiara
Indry nanaraka azy tao afara
Nampandrosoany ianao eo anilan’ny familiana
Roso ny dian’ny tia sy ny tiana
Hidola tsy maika hamonjy fodiana
Avy eo hitady efitrano handriana
Mbola tanora ihany koa ny talentsika
Tsy voavisavisa manana andefo-mandry ihany koa
Any izy any napetrany any aloha
Fa sekretera kilalaon’i direktera ianao fa tsy ho ahy
’Zay hala-pijerinao hatrizay
’Lay tsiky nafeninao io hay
Nitondra hafanana aty anatinay