Misy tsetsatsetsa tsy aritra e,
Tena resaka am-pitiavana e,
Maro loatra ny zanak'Andriamanitra no mifararemotra
Ka vao sendra ireo olana dia malaky mihemotra
1. Tandremo fa tsy izay tianao (no) mitranga am-piangonana ao
Isika izao ety mandalo fa aza dia maka fahavalo
Ny baikon'i Kristy, "andeha re hifankatia"
Ny zanak'i Noa dia tsy niala an-tsambo tao
Na mafy ny onjan-drano e, na mifamahofaho
Ka ndeha re miverena e, ataovy ampy izay
Fa miandry anao hatrany Izy,
Misy tsetsatsetsa tsy aritra e ...
2. Aleo mifampiresaka raha sendra olana mitranga
Ny zanak'Andriamanitra tsy tsara mifandrangitra
Ny baikon'i Kristy, "andeha re hifankatia"
Ny zanak'i Noa dia tsy niala an-tsambo tao
Na mafy ny onjan-drano e, na mifamahofaho
Ka ndeha re miverena e, ataovy ampy izay
Fa miandry anao hatrany Izy,