1. Jesosy ô, tsaroako izao
Fa mamy, sarobidy loatra ny avotr'aina vitanao
Nanehoanao fa tena tianao raha izao tontolo izao
Nahafoy ny ainao ho famonjena
Fitiavana lehibe izany, Tompo malala ô!
2. Jesosy ô, misaotra Anao
Nanaiky am-panetren-tena mba hizara fiainana
Na mafy sy sarotra izany, nekenao an-tsitrapo
Fitiavana lehibe izany, Tompo malala ô!
Ref.: Fatratra loatra, Tompo ô, raha ny fitiavanao
Tsy manan-tsahala, tsy miova fa mandrakizay
*Na dia tsy mendrika izany
Notiavinao hatrany hatrany
Fitiavana lehibe izany, Tompo malala ô!
3. Jesosy ô, ny foko izao
Diovy sy hamasino, itokany ho Anao
Hianoka fitahiana ambany fahasoavanao
Afoiko ho Anao tsy misy fetra
Babon'ny fitiavanao, Tompo malala ô!
Rehefa injay 'lay fotoana izay efa voatendrinao
Hahazo ny anjara tsara "satroboninahitra"
Hanandratra feo fihobiana
Hiara-hitoetra Aminao, Tompo malala ô!
Ref.: Fatratra loatra, Tompo ô, raha ny fitiavanao
Tsy manan-tsahala, tsy miova fa mandrakizay
*Na dia tsy mendrika izany
Notiavinao hatrany hatrany
Fitiavana lehibe izany, Tompo malala ô!