1. Moa efa noraisinao 'lay famonjena
Moa efa navaozinao 'lay fanekena
F'Izy Tompo mihintsy no namonjy antsika
Ka raha toa ianao maniry ny ho tafita
Dia izao, sokafy ny fonao
Fa zava-poana ihany ny fiainana eto an-tany
Mandalo sady tsy maharitra
Fa raha maniry ho any amin'ny fanjakany
Ilay tsara sady mahafinaritra
Dia Jesoa Tompo ihany no hany lalana
Raha toa ka tsy te ho ratsy fiafara
Ka ny asa mbola miandry tsy ho voasakana
2. tsy hitondra anao mankaiza anie ny ditra
Fa ny fanarenana ny andro sisa
Raha ny eto an-tany anie mandalo ihany
F'efa miandry antsika any an-danitra any
Ka ny fitondran-tena aoka ho marina
Samia manaiky ho ampianarina
Ho mendrika handroso any an-danitra
Raha tonga ny ora efa voafaritra
Dia Jesoa Tompo ihany no hany lalana
Raha toa ka tsy te ho ratsy fiafara
Ka ny asa mbola miandry tsy ho voasakana