"Efa nandalovako dia fantatro ny aretinao
Saingy izy matsiro kokoa sady olom-baovao
Izy tsy masositra, ianao koa nefa tsy fohiko
Ny vatako tsy voazara roa, indrindra fa ny foko"
Hisaraka hoy ianao niantso ahy avy any antrano
Izao 'zay voro-kely latsaka andrano ka tsy afaka ny hilomano
Mampalahelo ny tantara tsy voatanisa lasa angano
Inao no heveriko ho tokam-po tahaka ny siny ka tsy mahalala afa tsy rano
Tampotampon'ny olon-tiana ianao
Dia mazotozoto mivoaka ny trano
Tampotampom-pasoavana ianao
Ka hibaby kisoa hiampita rano
Raha mbola misy koa ny farany
Tsy ho foana ny fanantenako
Tsy ho adiniko ny anarany
Fa ny tantarany ho fafako
Alahelo tsy maintsy misy, ankivina lalim-paka
Fa izaho sombin-daingo malefaka noseranan-drivotra ka miondrika aloha vao mitsaka
Tsy mahalatsan-drano maso
Poizana sa fandrebirebena
Izao vao maika mamikitra nefa ampirafesina
Nandramana dia hita eo fitiavana tsy no refesina
Dia mivadibadika sarotra vao mahita tory
Ianao namadika fa ny olo-mangina tsy resy tsy akory
Izao mahitanao mangovitra ny vatana tsy maharay lamba
Indrisy misy fetra misy sakana ilay maso efa jamba
Malemy ny loalika mafana ny aty fanahy
Akoha voan'ny barika marary ny Gangsta
Anga raha tampotampohiny nanao sipa ianao
Dia izao no izestiavanao sy hodinao fanina
Anga raha tampotampohiny nahazo fera ianao
Dia pasohinao atramin'ny sôlefanina
Anga raha tampotampohiny nampirafy ianao
Dia izao no hanaovanao resaka tsy mazava
Anga raha tampotampohiny nahaza fihogo ianao
Dia bangohinao atramin'ny volo-mbava
Tsy mahalatsan-drano maso
Poizana sa fandrebirebena