Manomboka fotsy ny voloko
Mikentrona koa ny tarehiko
Tsy matanjaka toy ny taloha
Mihena an-toerana hatramin'ny feako
Antitra aho vao be ny tanora
Fa raha izy no sola ao aloha dia
Fa raha izy no sola aoriana
Reharehan'ny fianakaviana.
Fa raha izy no sola ao an-tampony e,
Olona manana ny antony e.
Fa raha izy no sola tanteraka
Rehefa anontaniana ny sola
Fahasoavana ity sa kilema.
Aza miditra fiainan'ny olona
Ny lohany tsy mba miaratra
Tsy bangoina fa tonga dia mety.
Tsy entin'ny vady amin'ny sangany
Tsy lany vola amin'ny mpanety
Ny sola ao an-trano mazàna
No tena ireharehana amin'ny olona
Mitombo iray ny ampoule a.
Antitra ianao ity ny farany!
Zah ho'a tsy antitra izany
Mbola bôgôsy aho no sady be vola.
Fa rehefa dinihina ambony sy ambany an
Lohanao ary ity mihasola.
Tsika tsy sola miloloha voatavo,
Ka hifamitaka samy malama.
Ianao izao no tena miha-antitra,
Mademoiselle lasa madama.
Manontany tena ny mpivarotra hoe.
Volon-tratra ho atao vaky tampona
Sa volon-kelika hatao soro-bilana e?
Miara-vita hatramin'ny tarehy.
Aleo sola toa izay tailan-doha.
Satria tailan-doha manao soro-bilana,
Mampivilana ny efa mivilana.
Lesola moa io miboridana,
Ny andro diavolana sady ahodiny
Ka tena tsy fantatra intsony hoe
Asio fandihin'ny sola aloha
Fandihin'ny so, so, so, so.