Fa maninona no mampijaly jean
Izy mitaraina fa aza ataonao tsinontsinona
Fa tery loatra ny mahazo an’ilay jean
Mijalijaly na mafana na ririnina
Na mandeha bus ianao na mandeha limousine
Ipetrahana dia tsy afaka ny haninona
Dia terena ao anatin’ilay jean
Tsisy aération, tsy mampiasa clim
Dia izany no manjo an’ireo jean
Na frippe na vidiana avy an Chine
Fa maninona no mampijaly jean
Izy mitaraina fa aza ataonao tsinontsinona
Fa nofon-kena ve io sa tranche fine
Ilay dongadonga toa voasary mandarine
Fa ngeza loatra hoa ka mampijaly jean
Avy ao aoriana angaha no asiana vitamine
Ho an’ny bandy ange ilay izy tsy maninona
Fa vao maika mampiakatra ny feeling
Dia ianao mi-geste fa tsara ilay machine
Fa maty kapoka io sa mbola d’origine
Voky avy any ambany ianao sa tsy manao régime
Fa ilay bikanao dia mampijaly jean
Fa toa mirediredy ianao sa mila hampanginina ?
Ka coup de danger be ilay double cabine
Ka bandy mampihomehy ianao toa MR Bean !
Ka ilay affaire-nao an dia MAMPIJALY JEAN !!!