Efa maro ireo nandalo teo,
Namiravira anao no be dia be,
Tsy homeko tsiny ianao raha toa ka tsy hino,
'Zahay lehilahy anie ka adala,
Tandremo fa natera-behivavy ianao.
Tsisy olombelo tonga lafatra eto an-tany,
Avia ary ho hampianariko izany malalako izany.
Tsisy tonga dia nandeha fa nadady aloha,
Ao fa ho kolokoloiko toy ny mitaiza ny foko,
Tsy ho voafafako ireo ratra izay navelany tany,
F'ianao ho vontosako mamy,
Pejy vaovao izao ny antsika,
Raha misy zavatra tsy azo
Dia ambarao fa fananako ianao.