Ianao ilay nipoiran’ny fofon’aiko,
Ilo manazava, diamondra sarobidy.
Ianao ilay nanome fitohizan’ny aina,
Fiainako rehetra ts’isy miafina eo imasonao.
Rehefa ‘zaho sendra solafaka iny
D’efa eo indray ianao nanoro ahy
Sy nampianatra ahy izay rehetra
Sarotiny ianao satria ny an’ny hafa
Veloma aloha dia mandrapihaona,
Na androany na ho zato taona.
Iza indray no mba hananatra ahy?
Ry havako malala e! (malala e!)
Ry havako malala e! (ato am-poko foana)
Ry havako malala e! (ohohohoh)
Ry havako malala e! (ato am-poko foana ianao)
Ianao no nanokatra ny masoko
Nahaizako ireo manodidina ahy,
Ianao no nitarika ny lalako
Mba ho lasa olom-banona aho.
Tsy nikely soroka, tsy mba nitaraina,
Nahasaropiaro anao ilay sombin’ny aina,
Niaretanao ny mafy, ianao tsy nitaraina,
Mendrika anao, rariny raha ho hiraina.
Rehefa ‘zaho sendra solafaka iny
D’efa eo indray ianao nanoro ahy
Sy nampianatra ahy izay rehetra
Sarotiny ianao satria ny an’ny hafa
Veloma aloha dia mandrapihaona,
Na androany na ho zato taona.
Iza indray no mba hananatra ahy?
Ry havako malala e! (malala e!)
Ry havako malala e! (ato am-poko foana)
Ry havako malala e! (ohohohoh)
Ry havako malala e! (tsy manadino izany e!)
Ry havako malala e! (veloma ianareo)
Ry havako malala e! (hmmmmmm)
Ry havako malala e! (ahahhaha)
Ry havako malala e! (havako malala)