Haiko ô ny zavatra niandohany any ho any
Fa feno tomany, ny fonao maratra any anaty any
Tsy haiko ô ny mahatonga anao mbola eo foana
Mandany fotoana, miandry fitiavana tsy ho anao
Fa ny fiainanao ataovy izay mahasoa azy
Aleo izy ho any, aleo izy ho any
Ampy izay ny hala nenina fa andao banjino ny ho avy
Aleo izy ho any, aleo izy ho any
Izay mahasoa ny fiainanao atao fa aza manantena azy (X2)
Avelao izy handeha raha tsy tamana e, tsy tamana e, tsy tamana e
Banjino ny ho avy, atsaharo ny tomany e ,tomany e, atsaharo ny tomany e
Fa io tany io, io anie miodina foana a
Mandeha ny fotoana, miodina hatramin’ny vintana
Fa fitiavana tsy hifanerena, ianao manàna fahatokisan-tena
Tsy hoe very ianao rehefa tsisy an’azy
Fa ny fiainanao ataovy izay mahasoa azy
Aleo izy ho any, aleo izy ho any
Ampy izay ny hala nenina fa andao banjino ny ho avy
Aleo izy ho any, aleo izy ho any
Izay mahasoa ny fiainanao atao fa aza manantena azy (X2)
Avelao izy handeha raha tsy tamana e, tsy tamana e, tsy tamana e
Banjino ny ho avy, atsaharo ny tomany e ,tomany e, atsaharo ny tomany e
Aza miherika any intsony e e e
Izay mahasoa ny fiainanao atao fa aza manantena azy (X2)
Aiko ô ny zavatra niandohany any ho any,
Fa feno tomany, ny fonao maratra any anaty any.