Tsy misy ny ankoatra anao
Zava-poana raha tsy eo ianao.
Na mbola tsy hay izay ho avy
Ny antsika roa tsy ho rava.
Ka aza manahy intsony ianao
Safidiko ny ho tantananao
Hanaraka anao aho n'aiza n'aiza
Mino aho fa ianao koa toa ahy
Tena tia ahy ho mandakizay
Hitambatra izaho sy ianao
Hiara hisedra ny mafy, ho mandra-maty.
Satria, tsy manana an-koatra anao
Satria tsy haiko ny miaina tsisy anao
Efa lasanao tanteraka aho
Na mbola tsy hay izay ho avy
Ny antsika roa tsy ho rava.
Ka aza manahy intsony ianao
Safidiko ny ho tantananao
Hanaraka anao aho n'aiza n'aiza
Mino aho fa ianao koa toa ahy
Tena tia ahy ho mandakizay
Hitambatra izaho sy ianao
Hiara hisedra ny mafy, ho mandra-maty.
Mino aho fa ianao koa toa ahy
Tena tia ahy ho mandakizay
Hitambatra izaho sy ianao
Hiara hisedra ny mafy, ho mandra-maty.