Gasikarako mijaly anjakan'ny tsindrihazolena
Gasikarako tomany, mahantra sy mahonena
Gasy maro toa ahy, rovi-damba ririnina
Tsy mba manana mpiahy, tsy mahita ho fihinina
Ny harenany dia norobaina
Fiandrianany tsy nohajaina
Izy ireo dia nampahantraina
Vatosoa voaondrana any am-pita
Malagasy maro an-tapitrisa
Mipitrapitra, mipitrapitra
Gasikarako mijaly anjakan'ny tsindrihazolena
Gasikarako tomany, mahantra sy mahonena
Gasy toa ahy sy anao, mitsindro-pako etsy sy ery
Tsy mahita izay atao, midina Ianao ry Tompo! Avia!
Ny harenany dia norobaina
Fiandrianany tsy nohajaina
Izy ireo dia nampahantraina
Vatosoa voaondrana any am-pita
Malagasy maro an-tapitrisa
Mipitrapitra, mipitrapitra
Ny harenany dia norobaina
Fiandrianany tsy nohajaina
Izy ireo dia nampahantraina
Vatosoa voaondrana any am-pita
Malagasy maro an-tapitrisa
Mipitrapitra, mipitrapitra
O! Ry Tompo o! midina Ianao