Injao mipaika mora Ilay Jeso onenanao
O! mba vohay re, vohay re, vohay ka mba jereo
Efa nandany ora maro Izy k'handeha zahao
O! mba vohay re, vohay sao leo
Misy fetra ny fotoana iandrasany
Ka ny vonjy tsy azonao raha lasany
Sao lahy ka tratra hariva
Ny alina indro efa madiva
O! vohay f'aza mba manamafy fo, vohay!
Efa ho sasatra miala nenina aminao
O! mba vohay re! vohay re ny fo mbola mihidy!
Fa tonga lafatra ny vonjy entiny izao
Misy fetra ny fotoana iandrasany
Ka ny vonjy tsy azonao raha lasany
Sao lahy ka tratra hariva
Ny alina indro efa madiva
O! vohay f'aza mba manamafy fo, vohay!
Sao lahy ka tratra hariva
Ny alina indro efa madiva
O! vohay f'aza mba manamafy fo,
Sao lahy ka tratra hariva
Ny alina indro efa madiva
O! vohay f'aza mba manamafy fo,