Mba renao ve ny hiran'ny anjely
Milaza sy mitory, mampiely
Vaovao mahafaly tsara indrindra mba ho re.
Mba renao ve ny hiran'ny anjely
Milaza sy mitory, mampiely
Vaovao mahafaly tsara indrindra mba ho re.
Fa teraka Jeso Mpanjaka avia mihoby
Ny hafaliana no atao mameno toby
Hikiaka, horakoraka no atao miloatra
Hanakoako hatrety ka hatrany ankoatra
Ho mendrika ilay Famonjena
Isika koa handeha ka hampiely
Hitory, hanambara amin-kery
Fa nidina hamonjy antsika ny Mesia
Isika koa handeha ka hampiely
Hitory, hanambara amin-kery
Fa nidina hamonjy antsika ny Mesia
Ny magy dia nanatitra ny volamena
Ny hanitra sy ny miora no nomena
Ny mpiandry ondry nandohalika, nitsaoka
Nanolotra ny haja ambony kanto loatra
Ho mendrika ilay Famonjena
Ny magy dia nanatitra ny volamena
Ny hanitra sy ny miora no nomena
Ny mpiandry ondry nandohalika, nitsaoka
Nanolotra ny haja ambony kanto loatra
Ho mendrika ilay Famonjena