Za mba saika hiresadresaka
Ny tarehy mitady ho ketraka
Nanaovako azafady hoe non non non
Tsy izany 'lay tovovavy nafatarako anao
Menatra an'ireo akamako raha hanatona anao any
Zah nefa tsy diso lera tonga ara-potoana tsara Mama
Fa inona? Fa ino 'ty nataon'ise fa nga efa maika mafy ka tsy nahatàna
Jereo anie, Ndry efa milelalela be, tsy menatra e!
Mba marina raha hanantona any aleoko milamina eto ity koa efa fotoany lany.
Lasa mijery film indray no asako
Sady am'lay mahafapo ny tratrako,
Toerana koa milamidamina tsy misy mahita
Normaly fa tato koa ny fotoanatsika
Ity ilay fitoerana tiko nitondrana
F'indrisy ianao efa lasa tsss....
Menatra aho tena menatra hely
Samy manana ny ora vonjeny
Tsy dedaka aho fa mahalala onona ihany
Aleo ataon'ny tsy nahazo fa izaho indray izany
''Miandry amin'ny fotoana faharoa(x2)
Fa amin'izay fotoana izay
Alatsako lalina aminao ny resaka
Tsy misy hafa tsy isika ihany no mitaintaina
Tonga dia halao izao 'loh izay mavesatra
F'isika amin'io hadeha ody any an-tanana
Amin'io isika hiaraka hanatanteraka
(Voady tampoka raha toa) ilainao
Miaraka mivelatra hoatran'zao
Ianao mba saika hiresadresaka
Ny tarehy mitady ho ketraka
Nanaovanao azafady hoe non non non
Tsy izao 'lay tovovavy nafataranao ahy
Menatra an'ireo akamako raha hanatona anao any