Zay maneho ny hatsara ny asanao
Tsy manam-paharoa (Nahoana moa e)
Fa nahoana moa no tsy hanaiky
Ho Andriamanitra iankohofanay
Iorenan i Finoana,hitoeran i fanahy
Ny filazantsara izay ahely
Dia naneho voa tsara fafy
An tany lonaka (Ka teny tsotra a)
Teny tsotra amin ny lalamari-
Ty firenenay,ry Tompo masina ô
Isandratra tokoa re ny voninahitrao
Andriamanitra ô,tahio e ty nosinay(L)
Andriamanitra o tahio e ty(V)
Hiposaka aminay,ny fahazavanao
Hanenika ny tany ny fahamarinanao
Hiadana finaritra ny vahoakanao
Ho sambatra tokoa e,ho sambatra izahay
Fa maro no miodina Aminao
Ao ireo manompo tompo roa
Minia mandrafy Anao(Ampinaro e)
Hiala amin'ny ratsy izay fanao
Reto malagasy analin-kisa
Fa ny hery sy ny fahefana
Anao mandrakizay(Ireo mpitondra a)
Reo mpitondra izay tinendrinao
Hanetry tena ho resy lahatra
Ianao ilay mpanjaka,ny voninahitra
Ho sambatra tokoa e,ho sambatra izahay