efa niainako ny fahazazako
notantananao aho Jesosy o
nandalovako ny fahatanorako
efa niainako ny fifaliana eto antany
fa notahianao aho Jesosy o
efa nisento aho efa nitomany
fiadanana sy fahasambarana
efa namoy havana maro aho
izay mantsy ny fandaharana
efa nasehonao ahy ny fahatsaranao
ianao no niady ny adiko foana
ny lalana rehetra nodiaviko
F'androany aho manisa izay ho androko sisa
satria toa mandeha ny fotoana
aza manary ahy rehefa antitra aho
aza mahafoy afy rehefa ketraka ny heriko
Izaho efa mino, tsy manadino
fa tsy handao ahy mihitsy ianao
F'androany aho manisa izay ho androko sisa
Natanjaka aza aho nila anao e
mainka fa rehefa mihaosa sy reraka
Jesosy o Zaho mila anao e
Tompo o mihareraka aho, aza mahafoy ahy hianao e
tena manantena anao aho Jesosy o
raha miha reraka aho aza mahafoy ahy
aza mahafoy ahy, aza mahafoy ahy, aza mahafoy ahy Jesosy o
aza manary ahy, aza manary ahy