Reo adin-tsaina sy ny ahiahy, ireo tebiteby mangeja anao
ianao ilay kikisan'ny adim-panahy, reo tahotra izay mamatotra anao
toa mitovitovy amin'ny fiainako, ny adim-piainana lalovanao;
Reo faniriana sy ny fikasana, ireo hetaheta ao anatinao
ianao ilay mikatsaka ny fiovana, fivoarana amin'ny fiainanao
toa mitovitovy amin'ny zavatra iriko, ireo fanantenana ao anatinao
Malala eo imason'Andriamanitra, be voninahitra ianao sady tiany e
Tiany ianao, tiany toa ahy, ka tsy nafoiny ho very
Malala eo imason'i Jesosy ianao, ianao no nihaviany
Tiany ianao, tiany toa ahy, ka tsy avelany ho irery
ny handeha hampahory anao
ka hahita anao ory sy mijaly,
ho be fahoriana,ho be fanahiana,
tiany aza ianao mba hifaly
ka antsoy ny fanahy, fanahy masina
fa izy hifona ho antsika amin'ny fitarainana tsy azo tononina
noho ny fahalemena dia tsy fantatsika ny teny sy vavaka tokony hatao
ndao hiray fo, hiray fanahy, hiray saina raha mety ianao
hotononiko ami-Jeso ny alahelonao
ireo ranomaso sy fitomaniana
mizioga aretina sy fijaliana
ho entiko eo ami Jeso ny hetahetanao
ireo faniriana sy ny fikasana
ny fahazaran-dratsy izay tianao hialana
ireo tebiteby sy ny taintaina
ianao ilay sahirana, feno adin-tsaina
na takona amiko aza ny tena fiainanao
na tsy fantatro aza ny tsiambaratelonao
Ho tahiana ianao, hambinina ianao
Jehovah hanatsotra ny tanany aminao
hampidina ny fahasoavany ho eo aminao
Tsy ho sasatra aho ny hivavaka ho anao
hangataka, hisaotra, hifona ho anao aho e
Fa ny hany tokana angatahako aminao
Raha sendra mahatsiaro anaty tonom-bavakao ianao é