Eto ampirevena maina izaho no nitaraina
Fa marobe ireo karazan-tsazy nozakaina
Hatrany Antsiafahy hatrany ’Tanimora
ka tonga hatrany Nosilava e
Mampalahelo raha ny mpanamaina no migadra
Teto ampirevena maina izaho no nitaraina
Fa marobe ireo karazan-tsazy nozakaina
Hatrany Antsiafahy ka hatrany ’Tanimora
Mampalahelo raha ny mpanamaina no migadra
Tsy vono olo, tsy rà nalatsaka,
Tsy nanolan-jaza eny izy e na nangalatra,
Manenjika azy ireo miharihary
R’ingahy mpitsara ô izaho mangataka ,
Ry Ray ambony avocat tsy mihataka
Hanazavako aminao izay tena izy
Mampalahelo raha ny mpanamaina no gadraina,
Mampalahelo raha ny mpanamaina no migadra
Ka ho averiko aminao impiry
Mivavaha, minoa fotsiny ihany
Fa io anie ndre ho’a zavamaniry
Mivavà minoa fotsiny ihany
F’efa voalazan’ny mpaminany
Mampalahelo raha ny mpanamaina no migadra
Mampalahelo raha ny mpanamaina no gadraina

Dia hisy olo hitsanga ho velo,
Fa ino hoy rehe ty antony e
Izaho aloha zao te-hanamôly e
F’izaho ti-hifoka jamala e
Fa nefa zaho tsy mana dràla
Mampalahelo raha ny mpanamaina no migadra
Mampitomany raha ny mpanamaina no gadraina

(Fa izy e mijalijaly e mama)
Mampalahelo raha ny mpanamaina no migadra
(Fa izy mijaly sady mitomany e)
Mampitomany raha ny mpanamaina no gadraina
(Nareo tsy vanona ! nareo tsy vahalara e ho'a)
Mampalahelo raha ny mpanamaina no migadra
(Avoay izy e Avoahy izy e ho’a)
Mampitomany raha ny mpanamaina no gadraina
Vahao ty rojony Vahao ty rojobe
Mampalahelo raha ny mpanamaina no migadra
Aza avela hitomany irery e...