Ala nenina, enta-mavesatra
No nentiny taminao teny an-d’hopitaly
Saingy indro tsisy kôzy tsisy resaka
Tsy voatàna ianao fa dia lasa ihany
Andriamanitra ô, izy mandohalika aminao
Saingy indrisy, ilay andefimandry ve?
Tsy nahalala izay mba ratsy vitany aho
Fa raha sendra nisy izany,
Ianao ilay mpanafoana ny tomany
Tsy ampy ve, ilay olon-tiany
Fa nampianao ilay zanaka ao an-kibo
Nalainao, nentinao, complot, gros lot
Tomany izy e!, navelanao nijaly
ô ny aiko marary, nilaozanao any
Tomany izy e!, navelanao nijaly
ô ny aiko marary, nilaozanao any.
Telo taona nampisakaiza izy ireo,
Nampiana herintaona vao nivady
Fiainana tsisy tomika, revy manifika
Saingy izao toa zary fahatsiarovana
Rehefa tojo, tsinam-bolan’iny izy,
Malahelo anao, manganohano
Asa re! hanahoana ilay fihetseham-po
Raha hamadika ny taolam-balonao
Hampitambatr’ilay nofon-jazakely
Hivimbinany lamba fotsy amin’izay andro izay
Hahatsiarovany ilay mariazy
Ka hitokatokana eny am-body fasana eny izy e!
Tsy mirevy aho dia katry ho’a