Tena lasa ho aho ny saiko mieritreritra
Hoe ‘zay tsy fitovian-kevitra
No ataontsika hampihemotra
Handravana koa ilay fenitra
‘ilay handroso @ tena lalindalina
Ianao mantsy rehefa resiko @ politika
Dia ilaozanao hatramin’ny fiangonantsika
Ianao inoako fa tsy hiverina vetivety
Raha tsy ‘zaho mihitsy no manaiky ho resy
Ka aleo omeko anao ny ravindalana ekena
Tantanonao irery ‘izany ny firenena
Ref: Ka aleo aho handefitra
Raha izay no hahatonga antsika any am-paradisa
Atokako ho an’ny Tompo ny androko sisa
Aleoko izaho, aleoko izaho resinao
Fa sao hanadinana ahy ny aminao
Raha izaho no tsy hidiranao am-piangonana
Ny lasa hatrizay aza hifonana
Aleo ko izaho, aleoko izaho resinao
Fa sao hanadinana ahy ny aminao
Ambom-po diso toerana tsy manaiky ho resy
No tsy hiaraha-mandroso mba ho mpandresy
Politika sy firehana mouvance maloto
No hanimbana ny ambiance ao amin’ny Tompo
Raha izao no mitohy dia izay no vita
Any amin’ny afobe izaho sy ianao no hifankahita