Fa miseho milay mahasosotra
Fiainana ve no tianao ho atao
Izaho mahantra e nefa tiako ianao
Fitiavana ve ny harena sa rehareha
Mifona aminao fa mijaly anie aho
Ny tianao ho atao manao izay tsy tiako atao
Tsy haiko e hatramin'izao
Mazava sy taratra hazavana ve ny làlana ombàna
Sa rahona mideza habakabaka mivalona
Ny atoandro lasa alina toa alina ny atoandro
Toa mainty ilay masoandro rehefa tolatolak'andro
Fiainana ve no tianao ho atao
Mikorina tsy hangina ilay ranomasoko ao
Hanasa an'ilay tongotrao ny foko hamafana ireny
Ilay mouchoir kely souvenir tamin'ireny tamin'izaho mbola kely
Toa tiako tsy tiako kanefa faniriko
Ny hanakatra ny kintana kanefa ratsy vintana
Omeko tsy omeko ny foko dia mitempo
Ilay fisainana tsy ekeko fa ny vatako no eto
Mba manontany tena aho hoe paradisa vé
Sa kosa afobe ity làlantsika re
Na ho any an-danitra any na fasana amin'ny tany
Dia zany dia zany no sisa hiafarany
Fitiavana ve ny harena sa rehareha
Mifona aminao fa mijaly anie aho
Ny tianao ho atao manao izay tsy tiako atao
Tsy haiko e hatramin'izao