Nivadibadika aho ny alin'io
Vao nandre fa ho avy ianao
Ny amin'izay tokony ataoko
Ny fiainako mantsy ankehitriny
Fa sahiran-dava amin'ny asa sy adidy
Manahy mafy aho sao ianao
Tsy mba mihevitra ny adin-tsaina anatiko ao
Izaho sahirana, ianao nefa nanantena
Fa hiaona indray isika roa
Na ny fotoana mandalo sy miserana ihany, mandalo fotsiny aza
Ny saiko te ho any fa ny hafa tsy azo terena
Lasa vesatra ao anatiko ao
Fa ny hasasarako dia ho anao
Izaho koa mba reraky ny adin-tsaina
Tsy nasiako tavela, ooooh
Asa aloha raha mino ianao
Ny voady efa nataoko tsy ho averiko intsony
Izaho sahirana, ianao anefa nanantena
Fa hiaona indray isika roa
Na ny fotoana mandalo sy miserana ihany, mandalo fotsiny aza
Ny saiko te ho any fa ny hafa tsy azo terena
Lasa vesatra ao anatiko ao
Te hahita anao aho izao (x2)
Izaho sahirana, ianao nefa nanantena
Oooooh fotoana mandalo sy miserana ihany
Mandalo fotsiny aza Oooooh
Satriko foana, hahita anao aho isan'andro