Efa nihafiako hatry ny ela
Nanantena anao mba hiova aho
Tiako hoe tsisy iray tavela
Ianao tsy mba mihevitra e,
Na hiroso aho na hihemotra e
Dia efa tsy afa-miala aminao.
Dia efa tafalatsaka aminao.
Ilay toetranao mankaleo anefa...
Dia tsy nahita tory aho ô
Nitsapatsapa anao niantso aho
Indraindray te handefitra e
Mbola ho lava ny lalako ô
Ny anao mety ho hatraiza e?
Mety ianao ve no anjarako ô?
Mbola manontany tena aho.
Mitsiky tsiravina izay ianao
Dia manao fijery hafahafa
Dia akapokapokao ny varavarana
Sao dia tsy rariny indray a,
Misolelaka ianao amin'ny hafa,
Aty ianao miseho milay a,
Sa ve izaho olo-mahantra.
(Sa ve zaho olo-mahantra!!!)
Ilay toetranao mankaleo anefa...
Dia nitsapatsapa anao zah,
Dia nitsapatsapa anao zah,
Nitsapatsapa anao niantso aho
Dia nitsapatsapa anao zah,
Nitsapatsapa anao niantso aho