tsy nandalo intsony ianao
nangina iny lalanao taloha
nangina ny tontolo tao anatin’ny ora fohy
efa andro izay tsy nandray ny tananao
masoandroko aza toa tsy niverina intsony
4 andro izay, tsy nandray ny tananao
nefa hatr@zay, tsy nitempo an’iza fa
fa ho anao irery anie, ianao tsy mety handeha hiverindalana indray
4 andro izay, tsy nandray ny tananao
nefa hatr@zao, ny adiady izay natao,
mitaraina foana ireo, sangisangintsika teo
iny lay fitiavana madio nomeko anao o!
iny lay sarobidy indrindra ka hajao o!
efa ho avy indray ny andro iverenanao,
andro iray zay sarobidy koa,
dia eo indray no hifandray ireo tanantsika roa!
hangovingovitra aho, reo masoko tsy hahajery anao,
mamisavisa ny ady izay natao
te-hanontany tena aho: \"f’iza loatra moa ianao?\"
ty ranomasoko ty, mandrakotra ny tavako iny e
dia mbola ho tratranao eo foana mandrampahatonganao aty
fo maratra ve? ranomaso avy eo, ireo no mba namako